<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C.H. Rink</author>
<hymn_number>491</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Inoantsika marina
 Ny Mpamorona Tsitoha,
 Isika dia natsangana
 Mba ho zanany tokoa,
 Hanina sahaza omeny,
 Ary be ny famonjeny,
 Amin'ireo loza maro
 Dia Izy no Mpiaro ;
 Inoantsika ao am-po
 Fa Izy marina sy to.

[V2]
 Jesosy Kristy Zanany
 No inoantsika koa ;
 Isika dia fananany,
 Fa navotany tokoa,
 Izy Zanak'i Maria,
 Dia rahalahy tia ;
 Maty ka natao ho very,
 Fa nitsangana amin-kery,
 Niakatra ao an-dapany,
 Hitsara ao am-parany.

[V3]
 Ka ny Fanahy Masina
 No inoantsika koa,
 Ny fiangona-masina
 No naoriny tokoa ;
 Ao isika dia mahita
 Famonjena efa vita ;
 Afaka ny helotsika,
 Fo vaovao no raisintsika ;
 Isika dia hatsangana
 Ho velona ao an-danitra.</lyrics>
<title>Inoantsika marina FFPM491</title>
</song>